• Ho anao malahelo

    Ho anao malahelo
    Raha ny lasa omaly
    No tanisaina lava
    Harary ianao,hijaly
    Ho malomalo-tava,

    Io anie aretina
    Tokana fanafana
    Dia ny manadino,

    Aoka tsy ho ventesina
    Ny ratsy efa lasana
    Ny ho avy no banjino,

    Aoka tsy hietry,
    Andramo ny mitsiky
    Mizara hafaliana
    Fa hisava vetivety
    Ny ratranao mikiky
    Mitera-pijaliana.

    RaAnRaMa
    22-04-2014

    « ZANDRYNY TOKY »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :