• HO AIZA ?

    Saika nindaosin'ny fahavelomana ny fanantenana efa maty rehitra,

    Miamboho hazavana mitsilo ireo hadalana nameno dingam-pisiana,

    Handeha aho, tsy hirehareha fa handrohiroy firehana misy fisaina,

    Handroso tsilopin-kaizina eo imazava tsy hitan'ny daholo very eritra !

    Mierotra, mierika !

     

    Mifohaza, lolohavy ny nofy noferana tao anaty torimason'akoho,

    Mikohafa, avoahy ny madity mandoto ny habaky ny ati-doha,

    Mihivina, afaho miandalana ny fatorana niaretana ireo dotra,

    Mivikina, dingano ny tantara mamorika angano fihazo ho ritra !

    Rangoty dia araho safosafo !

     

    Vavahady mainty mihoson-dra madio no amefena fifaliana,

    Aviavy ny tsy tompony mitrebona ny fototry ny fahantrana,

    Mitresaka ny soatoavina ka notovozina ny ranom-pigadrana,

    Voro-dambany efa vasoka no mba isalorana sy zary fitafiana !

    Fitaka tsy telina io e!

     

    Misy tsy mety milavo fa mbola hitolona hatrany am-parany,

    Ny sarany tsy ahoany fa ny satany ihany no mbola ifantohany,

    Miady fahafahana tsy sanatria fisitrahana revina mpanjanaka,

    Manokotoko lavaka hitrohana hatramin'ny bitika ireo efa banaka!

    Ho aiza ianareo anaka?

     

    Hanao diabe mitandahatra saingy hirifatra handratra saina zatra mandevy,

    Mitady handova ny tsy nisasarany sy tsy nohariany,

    Ario any io fomba fiaina hirainy ho fandrosoana,

    Aleveno ho levona hatrany anaty vanim-potoana,

    Dia asandrato ny sata nahavelona an-kalalahana hatrizay,

    Izay ihany,

    raha mbola mitady hiverina dia avilio lalana anaty lava-t........sakay!

     

    RafHon in "Man kalaza" 04.04.14

    « Kolontsaina Malagasy sy fitsaram-bahoakaFomba fanisana malagasy »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :