• HO AFA-BELA VE?

    Hasetriko ny kanto hiaraha-miloloha

    Mba ho faingon'ito tany mamintsika ity,

    Averiko ilay hasina hampisento izato fo,

    Harefesin'ny vahiny,ka dia rava nikodia!


             Aiza 'lay firaisan-tsaina mamy fahizay?

             Soatoavi-nanamarika ny mahamalagasy?

             Indrisy f'efa takona,zary kila sy toa may,

             Fa tsy mifampahatoky raha tsy hoe an-taratasy!



    Nankaiza ny fihavanana,reharehantsika iny?

    Nampiray ny rehetra,nanalavi-disadisa?

    Toa niavaka ny manana ka indrisy ankehitriny,

    Fa ny singam-pifandraisana dia ny "vola" sisa!



            Ka oviana Gasikara no heverina hotafarina

            Asa!!Nofinofy izany ,mbola tena ho ela

            Mahaiza mifandefitra,manaraha ny marina

            Dia 'ngamba mety hisy ny fahafaham-bela

     

    LUTORIMA

    « LUTORIMAvorona! embona »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :