• Hanoratra eto amin'ny Instant Malagasy

    Ry mpankafy ny kanto malagasy !

    Tanjona tokana no kinendrin’ny Instant Malagasy, dia ny hanandratra avo ny hasin’ny kolontsaina Malagasy, na Malagasy avy aiza, na monina aiza, na inona foko, na inona finoana… dia heverina fa tokana ny Malagasy fa ny fomban-tany sy seha-pibeazana teo amin’ny kolontsaina no samihafa.

     

    Noho izany, sy noho ny faniriana hatrany hampivelatra ny kolontsaina dia manasa anao aho handray anjara amin’ny fanoratana ato amin’ny Instant Malagasy.

     

    Mahay mikabary ianao?

    Mpanoratra tononkalo?

    Mpandala ny fomba Malagasy?

    Manana fomba mampiavaka azy ny toerana niavianao?

    Sa manana sary mety mampiavaka sy mampisongadina ny maha-malagasy ianao?

    Misy toro-hevitra, na toro-lalana, na fanitsiana tianao hatao hanatsarana ny Instant Malagasy?

     

    Na avy aiza na avy aiza: na eto Madagasikara na eto an-dafin’ny riaka,

    Manasa anao aho, handray anjara amin’ny fametrahana ny sangan’asanao eto amin’ny Instant Malagasy.

     

    Mitoetra ho fananao manokana ny asa soratrao ary ny Instant Malagasy dia tsy hampiasa izany ho an’ny tombotsoany manokana.

     

    Hampivelatra sy hanome habaka midadasika kokoa ho an’ny kolontsaina Malagasy isika.

     

    Raha te-handray anjara ianao

    • Miresaha mivantana amiko ao amin’ny facebook amin’ity rohy ity
    • Na ihany koa alefaso amin’ity rohy ity ny asa soratrao na fanontanianao

     

    Mankasitraka anao ary mitomboa hasina hatrany isika rehetra!

     

    Parfait Partout

    « Mandria fanadinoanaBEM'ANDRY ! »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :