• Hangina

    Raha mba hitoetra izay rehetra izay

    Ho tantara ihany sy ho rakitry ny lasa

    Mbola hangina koa ireo antso faha izay

    Ho tsiaro sisa raha toa ka tsy ho voafafa

     

    Ireo fotoana rehetra no ho voatanisa

    Hijoro manoloana sy hiatrika ny misy

    Hanaloka ireo teny satria hangina sisa

    Tsy mba hiara-dalana saingy tsy hidify

     

    Ho karakaina koa ireo teny kanto indrindra

    Ringitry taona ilay raozy feno sento

    Sina tsy hiteny rehefa tsy voarindra

    Fa dia hangina sisa ity sasatra nitempo

     

    Hilofika tanteraka izay niandry nanantena

     Nangasy irery teo fa nisy lalan-kafa

    Niandrandra ilay voalahatra ndrao mbola hifanena

    Ireo efitra voafefy tsy ahafahana mitafa

    Fa dia hangina sisa…….

     

    Noé 27/07/06

    « Tsy haiko intsony….Tompy maso… »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :