• HAMPIANOKA ANAO

     Toa hadinonao ny fisiany

    Tsy tsapanao ilay faniriany

    Tsy takatrao koa ireo tiany

     

    Nefa anie eo anilanao

    Ilay tsy mety handao

    Zary ataonao kilalao

     

    Tsy iza izany fa ny "TENY"

    Ilay ventesinao ombieny

    Ka zava-maro no omeny

     

    Tsy fantatrao ny kantony

    Hadinonao ireo filantony

    Sy momba ny antonantony

     

    Io teny io anie miaina

    Avoatran'ny fo sy saina

    Mamelona, mampitaraina

     

    Koa tandrovy ary kajio

    Fa MASINA io TENY io

    Koa miezaha miteny madio

     

    Ilay "TENY" tsy mampimalo

    Arafitra ho "TONONKALO"

    Izay naman'ireo fahavalo

     

    No hilazako ireo vaovao

    Ny tsara tokony ho atao

    Mba "HAMPIANOKA ANAO" 

     

    Haja Randriamahazonoro 

     

    « FOLAKA ERITRAHaja Randriamahazonoro »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :