• FONON-DREVO

             FONON-DREVO       Redirevon'ny mpanohan-danitra tsy hilatsaka ny anao ka omby tsy mifatotra no kopahan-damba mena, dia hanantena ianao fa hitehaka izahay, hirehaka sy hihoraka hoe ianao mahay.

                   Diso tsy tanteraka fa tsy nahy, dia ny ahiahin'ny tsy ho tafavoaka no ataovy matevina. 

                   Tovano ranjo ny fela-tongotra dia miladia malaky fa efa mafy ny ady, ny anjombona mananintanina ka ny angaroa no mitsoriaka mameno hiaka feno ranitra, tsy hanindrona fa hanandrana ny tsiron'ny fahasahianao milalao rohin-doza.

                  Dia lazao fa ny tsia fanao ary ny atao tsy iniana mandamoka na ho rakotra doka aza. 

                  Ny aza hitako ny tsipak'omby no hipaka any amin'ny afeniny, dia ho neniny ve ny natombony?

             Tamby lafo vidy ny azy ka ny aina no natao takalon'ny tahaka izay tsy miverina. Sery mitsonika ranon'elo avy orana ihany iny ka tsy hifanomezan-tsiny na dia tsy ho tody aza amin'ny tanjona tsy niriana fa nanarian-dia handavo ny mitsilany tsy ho lany atoraka.        

             Dia aza mihoraka sao manaitra zaza matory, hamoha fota-mandry ireo maty ory, ary ahorony mora ny mpenina dia ajanony ny menomenona.

             Sao ho avy eo indray ilay omby tsy mifahy mpanao fahirano ny mpiampita ambony lakan-jejo ka ho revo eo indray ny redinao.

    RafHon 07.11.13

     

     

    « IFONAKO, MALALALUTORIMA »

    Tags Tags : ,
  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :