• FOLAKA ERITRA

    Mandingam-pefy tsy ho tazana,
    Manaiki-dela mataho-drazana,
    Manary fisiana eo amorom-pasana,
    Miantso tody tao-maro niandrasana,

    Mihevitra ny handingana ny folaka,
    Ka baraingo no nasolo ny tsoraka,
    Solafaka amin'ny loha sola angamba,
    Miolonolona ka manao ampihi-mamba,

    Vandam-pijery ity saina misita-dona,
    Manindry heloka ireo mba te hifona,
    Foano ao an'eritra izany ho afaka,
    Figadrana no inoy ho zohy lafatra,

    Lafo loatra izany vidin'ny tsy efa,
    Mafy mihoatra ny dify tsy niantefa,
    Rara-panenenana miofo ho vina matotra,
    Nanafaka ny geja nanala koa ny fatotra.

    Refarefa sarotra enjehana izato kalo,
    Mandravarava lahatra ny rima tsy mivalo,
    Remby tsy ho azo nandritana ora maro,
    Ventesin'ny mangina iny izy te hahatsiaro!

     

    RafHon

    « Tany misy olonaHAMPIANOKA ANAO »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :