• FITIA ADALA

    Fantatro fa…

    Mety ho heloko tsy mihamba ny hitia anao !

    Tsapako fa….

    Ny misavika fitia dia fahotana tsotra izao!

    Nefa …

    Toa adala zato foko ka mimaona hanindao ;

    Tsy voatana fa….

    Misisika tsy azo ailika hiantsampy an-tratranao!

    Ekeko fa ……

    Fitia nalaiko sary an’ofy no mitsiry anatiko ao !

    Eny , ….

    Fitia novinaniana ihany , noventsoina tsy ho lao;

    Kanjo ….

    Toa nanjary niorim-paka sy nahazo laka ,

    saingy indrisy ……

    Fa ny foko mahalala ilay fitia hitondra ratra …mahavaka!

    Endrey ……

    Zany foko miha adala hatrany hatrany !

    Ka …………….

    Vao mahita ny endrikao sy ny hatsarany !

    Dia indro fa………..

    Toa mibitaka hafaliana, mibaliaka toa masoandro;

    Endrey……

    Anirim-panantenana isan’ora , isan’andro!

    Tsy nofy fa …..

     Manantena teny mamy ombam-pitiavana !

    Nefa…..

    Ny fonao tsy ho anjarako , na ho tambazana !

    Satria…..

    Ianao efa mianoka am-pahasambarana baliaka ;

    Eny …..

    Efa an-tratran’olon-kafa iray , bako endrika sariaka !

    Endrey ………

    Fatratra eny ilay fitia ianjaikany !

    Ka toa ….

    Vao mainka koa manampy ny hatsarany!

    Takatro fa……

    Hasambaran-tsy ho voavina na oviana !

    No heveriko fa………..

    Hamonto ny andro sy ny fiainanao ry tiana!

    Fa izaho kosa ……..

    Hiezaka hampangina ilay fitia adaladala ,

    Dia ……….

    Ilay fitiavako toa jamba tsy mahalala ny sahala ;

    Tena ……..

    Fitia mihoa-pefy , te hisavika saranga ;

    Ka dia…..

    Horombotako am-paka mba ho banga !

    AINGAM-PANAHY F.S

     

    « IFONAKO, MALALAEFA NIEZAKA! »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :