• FIHAVANANA SANDOKA

    Raha vola sy harena, tsikalam-pananana
    No enti-mandanja ny hoe fihavanana
    Ny ory tokoa tsy mba havan’ny manana
    Fa toa mavomavo, tsy fandray tanana

    Ny marina anefa tsy izany tsy akory
    Tena sakaizan’ny manana ny ory
    Vatsy mpamelona manana ny hasiny
    Ny dinitr’ireny hay no tena tsetsafiny

    Ny olo-mahay koa tsy mahita rirany
    Fa mila ny dondrona sy votsa saina
    F’ireny no tohatra afaka ihanihany
    Azony rebena fa mora ambakaina

    Toa endri-pihavanana maharitra ela
    Ity sisam-pihavanana hany tavela!

    Fongory ifotony hatramin’ny faka
    Fihavanana sandoka sy manambaka

    Tsy ny avo ombieny no hamilafila
    F’andeha mba hialàna hitsingilahila
    ‘ty tohatra lava mipàka amin’ny tany
    Ho fantany tsara ny lanjan’ny ambany

    Tsy hisy intsony hiteroteronany
    Avelao hitohy ny fiavonavonany
    Dia ho hita tokoa fa marina hatrany
    Ny ory tsy havan’ny manana izany !

    Aloka

    06/11/2013

    « Zeze RazafimananaRARAKA »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :