• "FENO..."

    Tamin'ny fotoana namaliany ny valin-teniny dia nolazainy tamiko an-teny fohy fa tia ahy koa izy. Teo dia niovitrovitra ny tenako manontolo, Faly lotra aho... Feno azy tanteraka ny foko...ankona tanteraka aho... ka kendakenda hatramin'ny feoko.
    Nosoratako an-kalo izany fihetseham-poko izany ka nampitondraiko ny lohateny hoe:

    Feno, tsy misy hanampiana ny valin-teninao,
    tsy misy ho tetenina...
    Feno ka dibo-kafaliana ny ao anatiko ao,
    ka tsy mahita ho tenenina....

    Fa mangovitra ny vavako,
    fa Feno haravoana ka vahotra ny lela.
    Misaotra akia rahavako,
    fa tanteraka etoana ilay fangatahako efa ela.

    Feno, na dia tsotra!
    ilay fehezan-teny izay nambaranao...
    Fohy, nefa kosa!
    voalaza tam'ireny ilay fitiavanao...

    Fa eny hoy ianao,
    nankasitrahanao ilay fitia tsy miloko...
    ka tiko ho fantatrao,
    fa ny ao anatiko ao, dia feno anao ny foko...

    Zeze Razaf.

    « Ny fanirikoRindram-peniko »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :