• Tafahaona eto ny tia sy ny manina. Mpanoratra hafa indray ity tonga eto amin'ny Instant Malagasy ity, tsy izany fa i Haja Randriamahazonoro.

     

    teraka ny 6 jolay 1970, tsy "poeta" fa "mpanora-tsoratra",

     

    Tia manandratra ny hasin'ny tenin-drazana, ary entanin'ilay aingampanahy tsy voafetra, tsy mila fotoana, tsy mifidy loha-hevitra, fa izay tononkalo tianao soratany dia eo noho eo dia vita, tsy mila vakiraoka.

     

    Iisan'ny fialamboly ny manoratra hainteny, sombin-tantara, oham-pitenenana ary koa tononkalo

     

    Raha te hitafatafa sy hidinidinika amin'i Haja Randriamahazonoro àry ianao dia ity ny pejy facebook-ny Haja R.


    votre commentaire
  • RafHonI RafHon, Malagasy, Mpanoratra

    Ny mombamomba azy?

    RafHon kamban-teny avy amin'ny anarany hoe RAFALIMARO Honoré, tonga teto amin'ny tontolon'ny velona ny volana febroary 1983 teto Iarivo.

     Malagasy fiaviana ary Malagasy fomba fiaina sy fisaina ihany koa.

    Nandalina manokana ny fitondratena sy fihetsiky ny olombelona teny amin'ny Anjerimanontolo.

    Misehatra eo amin'ny fiarovana ny ankizy ary indrindra ny fanarenana ireo latsaka an-katerena. Mitarika fikarohana eo amin'ny tontolon'ny herisetra mihatra amin'ny ankizy.

    Ny vinany dia mifototra amin'ny fanajana ny maha olona na inona fiaviany na inona fari-piainany.

    Ny kanto dia habaka nalain'ny fanahiny ho namana tsy foy sy hizarany ny nofiny. Olombelona miaina ny eritreriny sy ny vinany ary manaja ny hafa tanteraka! 

     

    Raha te hitafatafa amin'i RafHon àry ianao dia ity ny adiresy facebook-ny RafHon


    votre commentaire
  • Mpanoratra Ngezalahy raha i Fredy Jaofera. Tsy hidera vady mahay mandihy hoy ny fitenenana fa eo ny sandriny hilaza azy.

    Fredy Jaofera

    Taratasy fanoloran-tena natolotr'i Fredy Jaofera hapetraka eto amin'ny Instant Malgache ny volana desambra 2013 (tsindrio ny sary raha toa ka misy tsy hita)


    votre commentaire
  • Aingam-panahy Feon'ny SainaResy lahatra ianao fa kanto ny asa soratr'i Aingam-panahy Feon'ny Saina?  

    Fantaro àry hoe iza moa izany andriambavilanitra manan-talenta izany. 

    Raharimalala Rodalson Jenny alias Aingam-panahy monina any Tsiroanomandidy; 28 taona , manambady ary manan-janaka iray.

    Ny fitiavany ny zava-kanto vita amin'ny teny? Hoy izy hoe: "Tia sy mandala ny haisoratra ary maniry ny mba hivelatra bebe kokoa amin'izany talenta izany ! "

    Raha te hitafatafa amin'i Aingam-panahy ary ianao dia ity ny adiresy facebook-ny: Aingam-panahy Feon'ny Saina

     


    1 commentaire
  • Zeze Razafimanana no anarana nosafidiko amin'ny maha-mpanoratra ahy, fa ny tena anarako dia, ANDRIATSIZAKAINA Maichel Franzzel. Zeze no fiantsoana ahy, izay avy amin'ny anarako hoe: Franzzel,ary ny hoe Razafimanana dia anaran'i Dadabenay.

    Mpanoratra ihany koa io Raibeko io saingy tsy dia fantatr'olona loatra. Tao Fianarantsoa aho no teraka ny 12 septambra 1980. Comptable no asako, ny kajy no fivelomako fa tsy manakana ahy tsy hanoratra sy hizara izay voasoratro izany asako izany.

    Raha te hifandray amiko ianao dia Zeze Razafimanana no adiresiko ao amin'ny facebook ary zezerazafimanana@yahoo.fr kosa ny adirey Mailaka.

    Ankafiziko ny manoratra tononkalo no sady efa lovako ihany koa izany!!

     

    Taratasy fanoloran-tena nosoratan'i Zeze Razafimanana


    votre commentaire


    Suivre le flux RSS des articles de cette rubrique
    Suivre le flux RSS des commentaires de cette rubrique