• Fantaro ireo mpanoratra

    Ireo mpanoratra tononkalo eto amin'ny Instant Malagasy dia azo heverina fa tsy mba irony fakofakon-kirihitra teny ho eny fa ny voamboana tsongaina aman'ala. Mpanoratra, mpankafy ary indrindra mpizara ny antson-tsaina, ny bitsi-panahy amin'ny alalan'ny raki-tsoratra nasesiky ny ainga. Eto no ahafahanao mahafatatra misimisy kokoa ireo mpanoratra nandray anjara ao amin'ny takelaka Tontolonao mpanoratra

     

  • I  RAHANITRANIRINA Volatiana Eliane mpanoratra eto amin'ny Instant Malgache. no ten  Mi-A.V (MiAndryVola) no solon'anarany eo amin'ny kanto.

    Maro ny tara-kevitra mahaliana sy mahasarika ny aingam-pahaniny fa ny tena maro amin'izy ireny dia ny fitiavana, ny ranomaso,  ny alahelo

    ny zavakanto tiany ankotra ny tononkalo dia ny mihaino tantara, mihira sy ny sisa ihany koa.

    Manana tanjona ny tovovavy eo amin'ny sehatry ny kanto dia ny hamoaka boky.

    Raha te-hitafa amin'i Mi-A.V ianao dia inty ny rohy facebook-ny: Mi-A.V

     

    Mirary fahombiazana ho azy ny Instant Malgache

     


    votre commentaire
  • NIRAVONy Andriambavilanitra, sakaizan'ny soratra, ny teatra ary mpankafy sy mpanondro-bidy ny riba sy ny hai-kanto malagasy eto amin'ny Instant Malagasy

    tsy iza izany fa i RANRIANANTOANINA Voahirana na koa fantatra amin'ny Solon'anarana hoe NIRAVO 

    Nanomboka nanoratra ny taona 2000ary niditra ho mpikambana tao amin'ny faribolana sandratra  

    Efa namoaka ny boky hoe "Afindrafindrao" niarahana tamin'i TIAVINA 

     

    Nandray anjara tamin'ny boky maro niarahana tamin' ny faribolana sandratra   Manoratra tononkalo, tantara antsehatra , miantsaAnisan'ny nanangana ny TROPY RANDRANA,mpikambana ao amin'ny fmtm , izay manao teatraMpilalao tantara  an'onjampeo: rdb, aceem, rnm..mpilalao teatra ihany koa. 

     

    Natolotra ny Instant Malagasy izao fampahafantaran-tena izao ny volana aprily 2014


    votre commentaire
  • I NAMBININTSOA Avotriniaina H.J mpiangaly ny asa soratra toy ny tononkalo ary manana aingam-pamorononana manaitra sy mambabo ny fo avy hatrany. Teraka tamin'ny 12 aprily 1992 tao andranomadio Antsirabe ny tovolahy.

     

    Niaina Jacque Harï no hahalalan'ny maro azy amin'ny tontolon'ny seraserany sy ny fanoratana.

     

    Hizara ny aingam-panahiny eto amin'ny Instant Malagasy ihany koa ny tenany ka isika rehetra mpankafy no andrandrainy hanome hasina ny sorany. Raha te hitafa amin'i Avotriniaina H.J ao amin'ny Facebook ianao dia inty ny rohy ahafahanao manao izany. Niaina Jacque Harï

     

    Fanoloran-tena natolotra, narafitra ary napetraka teto amin'ny Instant Malagasy ny volana aprily 2014


    votre commentaire
  • Faly miarahaba antsika rehetra mitsidika ity tranonkalan’ny Instant Malagasy ity nytenako, RANDRIANJAFY ANDRIANAVALONJAKA Rajomahery no anarako  ary RaAnRaMa no solon’anarana entiko amin’ny fanoratana, anarako ihany no nafohezina satria io no napetraky ny mpampianatra ahy tany am-pianarana ary notazoniko. Tonga teto an-tany aho ny 29 septambra 1993 tany ambanivohitr’Ankazobe tany .

    Kilasy faha-8  aho no nanomboka nanoratra, niato anefa izany noho ny antony maro, ny famakiana sy ny fankafizana ny tononkalon’i “Ny Hariaina” tanaty fesiboky ny taona 2011 indray no nahatonga ahy hiverina  hanoratra  , ka indro aho eto androany manoratra ho ahy, ho anareo, ho antsika, ho azy iny; dia misaotra sahady amin’ny fankafizana e.

     

    Faly miarahaba an'i RaAnRaMa, raha te hitafa amin'izao tovolahy izao ianao dia ity adiresy facebook-ny Rajo Mahery

    (taratasy fanoloran-tena natolotr'i Rajo Mahery teto amin'ny Instant Malagasy ny volana aprily 2014)


    votre commentaire
  • Mifankahalala tsara raha ny Instant Malagasy sy i Noé, i Noé sy ny kanto malagasy ihany koa dia torak'izany

     

    etsy ange...

     

    Izy no Ranarinjato Noelisoa na i Noé

    mpikabary ary mpanoratra ihany koa

    teraka ny 16 Desambra 1987 tao Ambohidahy .

    Vao 12 taona monja i Noé dia nanomboka nanoratra, izany hoe tamin’ny taona 1999, raha mbola mpianatra teny amin’ny ambaratonga fototra, izay nanoratany ny tononkalo mahakasika ny nahalasanan-drainy.

    Nandritra ny fotoana nianarany teny amin’ny lycée dia nanohy hatrany ny asa sorany izy, ary niezaka nametraka izany teo anivon’ny sekoly nisy azy ka nahatonga azy hanangana ny fikambanana « les jeunes poetes».

    Nandritra izany fotoana izany no nivahinianany tao amin’ny gazety an-tsoratra iray mpiseho isan’andro ka namoahany ny sangan’asany sy nilazany ny famoahana ny tantara nosoratany voalohany tamin’ny onjam-peo, tantara iray mitondra ny lohanteny hoe : « Voasoritra »,izay mbola nanehoany fa ny zava-drehetra dia efa voasoritra ho tsara avokoa.

    Rehefa tsy nahomby tamin’ny fanadinana bakalorea izy dia namerin-taona ka teo indray no nihaonany tamin’ireo masera sy frera tao amin’ny fikambanana ACEP(Aumonerie Catholique des Ecoles Publiques) ary izy no voafidy hitarika io fikambanana io ary teo no nahitany hevitra hanokatra fampianarana kabary ho an’ireo mpikambana tao ka anisan’izany izy, ary hatramin’izao dia izy no filoha sady tonian’ny fampianarana ao amin’io fikambanana mpikabary io.

    Raha fehezina dia olon’ny kanto i Noé ,izay no namolavola azy raha mbola kely izy ka hatrizao.

     

    Fanoloran-tena natolotra ny Instant Malagasy ny 20 febroary 2014


    votre commentaire


    Suivre le flux RSS des articles de cette rubrique
    Suivre le flux RSS des commentaires de cette rubrique