-
EMBONA LAVI-MALALA
Indraindram-po milako …vetsovetso
No manainga ny embonembona aman-tsento
Ontsaontsam-pitarainana manako
No miloatra anatiko ao tsy mety miato
Trahotrahon’oram-baratra mavany
Korian-dranomaso miainga tsy ho lany
Kiakiam-po maratran’alahelo
Fisendaoram-pijaliana toa manelo
Hetraketram-panaintainana mandroatra
Vaingam-pahoriana anaty fo
mivoaka akoakon’ny toloko mahonena
No mameno sy manenika ny tena ….
Fa nahoana ary? hoy ianao manontany
Dia izao no havaliko an’izany …..
Raha takariva an-tanin’olona manin-kavana tsy foy
Ny foko sarak’olon-tiana , ka manjaika sy mandrohy
Ilay fitiavanay mahantra ,tafasaraka tsy fidiny
Mampigoka ny mafaitra , toa tsy ho telina ny ngidiny!
Ny ankizy ilaozan’ny sakaizany no milalao vovoka irery ,
Fa ny foko lavitra azy mahatsiaro tena very!
Ka ny vetsom-po no atopy mba hivimbina vinany
Hambomba ilay fony tia any an-tany lavitra any
-
Commentaires