• ekeko Ray O

    Ekeko  Ray O fa mpandova fahotana
    ity tenako ity,he taranaky ny ratsy,
    hatramizay aho dia nanaiky an'i satana
    ka mendrika ny kapoka amin_karavasy...

    tsy mendrika ny hanonona ny anaranao
    noho ny fo vato izay ao anatiko ao,
    raha ny fahotako vita no averina eto indray
    dia helo no lovako mandrakizay

    Tompo O!
    izaho ilay ondry iray nandrongatra ny vala
    nirenireny teny,nanao ny sitra_poko
    nilibaliba hatrany ka tsy mba nahalala
    n'hiverina  Aminao ry Jesoa Tompoko

    ankehitriny aho hiverina aminao
    ry Raiko feno antra, Tompoko malala
    raiso aho Ray raha toa ka sitrakao
    tonga saina mantsy ty zanaka adala

     

    raanrama

    « TARIGETRAKOmalala O »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :