• EFA NIEZAKA!

    Efa mba nezahiko ihany hohadinoina,
    Hamafa ilay salovanao an’eritreritro,
    Ireo lasantsika maro tsy ho tsaroana,
    Hikosehiko ao am-po ny nofinofiko

    Efa mba iniako avily koa ny masoko;
    Tsy handinika ilay sarinao baliaka,
    Ilay nandravaka hafaliana tao am-poko!
    Tamin-tsiky sy ny endrika sariaka ;

    Efa mba tohaiko hatrany ny vinany
    Tsy hitopy ka hiantsampy aminao ,
    Ny fitroatrany sakanako tsy ho any ,
    Andrao hitondra ratram-po anatiko ao !

    Efa mba ezahako ihany hohorosana
    Ilay sampam-pahatsiarovana mangaika,
    Na ny fakan’ny fitia izay tiako hongotana,
    Tsy hisian’ireo tsiaro mety hanaitra,

    Saingy …. Toa injao mbola manako am-pototsofiko,
    Ilay feonao miangola izay fandre!
    Toa mamoha ,mikaika indray nofi nofiko,
    Efa ezahiko ampanginina ela be !

    Toa injao mamelovelo faharesena,
    Ilay foko efa nitoky fa handresy,
    Toa mitady ho latsaka an-katerena,
    Ny ambom-po anatiko aho toa mila ho lefy!

    Toa mianjahanaja renty tsy azo afenina,
    Ilay fitiavana nombotana tsy hamaka
    Tairinao ka endrey mipenimpenina,
    Ka ny saina sy ny fo toa mila ho vaka!

    Te handroso sy hanolotra fitia,
    Nefa miahotra sao dia hangahiahy!
    Te hiantsehatra hasambarana ho doria!
    Nefa koa ny fo marefo ka manahy!

    Hany hery dia mangatam-panampiana
    Amin’ilay Ray nahary ny tontolo!
    Raha sitrakao ry Tompo omeo ny Fitahiana
    Ka ny fitiavanay tehirizo ho voakolo!

     

    AINGAM-PANAHY F.S

    « FITIA ADALANY SAMBO »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :