• don-tany sy kapo-tandroka

    Fomba malagasy? Iray amin'ireny ny don-tany sy kapo-tandroka, jereo anie ny fiantsan'ireo kingavava ny ohabolana sy sari-teny isan-karazany e!

    Andaniny:   Azafady anie izany havako, fandrotrana amoron-dalana: tsy hamingana anao hianjera, na hanao longoa manafim-bozaka, fa tsatokà mijoro an-tsapanana ka mihazona anao mba hisaina. F'izato  ianao ho'aho toa maika tsy faingana sahala amin'ny dian'ondry e! Mba ho aiza hono izato izy?

    Ankilany: Mbay ery izato izy, havako ho'aho havako, aza itsahina akory ny zoron-dambako, f'isika toy ny embok'akondro, miondrika tany iray ihany no tondroina fa raha heverina dia samy manana ny ankoholafiny. Samia masina an-taniny rangahy ity a, tsy misy na sila-balala nifampi-tonoana aza, ka aza manao be safary fa rafotsibe leom-boanana ny aty, tsy te-hierika zava-boribory, ny  boribory leoko ihany fa ny mijery ny endrikao midongidongy toa sahobakaka no tsy laitra.

     Andaniny: Mitatatata zany afom-pataka, nanantona aho ka saika may, mivaivay ny afom-bero, saika hamindro, ka ny volom-bavako avy no saika nolelafiny...Very aho ndreikako, very aho ndreneny: ny natao hanirin'ity no manao ohatran'ny banga manôka, hita hatramin'ny havokavony, manao toy ny ratsy tarehy mijery tandindona ka "izaho ve io" no betsaka!

    « RECITES-MOI »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :