• BEM'ANDRY !

    Maro ny te hisongona ireo sangany,

    Misy ny maka tahaka fahatany ny vitsy,

    Ny visy tsy ampy efa nianatra nanidy tena,

    Ny tena izy nataon'ny sasany ambozizy!

    Dia tonga ho azy ny kirizy?

     

    Fa karazany inona ary izato andiany,

    Mena maso manjohy izay tsy tiany,

    Vovo-tany avy no masiaka manditsoka,

    Mandatsaka vaika any an-kizo mihitsoka!

    Dia tamy ny vitsika?

     

    Vatsio vina ireto be mandry matevim-ponosana,

    Mihavosa toa entana fakana tombom-barotra,

    Miaritra ny tsilopin-kazavana takonan'ny habadoana,

    Babo tsy niady fa nazeran'ny rano nimamoana!

    Dia tonga ny fotoana?

     

    Fototra marivo tototra no noezahana nifikirana,

    Kiry ny hanenjika ireo kary ao anaty kirihitra,

    Ritra tsy tovozina ny ron-doha fandroan-kevitra,

    Dina tsy nihatra no nampitsitra ny misasatra,

    Dia nipoaka ny fahasosorana?

     

    Tsia,

    efa renoky ny tory ao anaty efitry ny fanadinoana,

    Mimoana tsy satry manoloana ny setrin'ny hakamoana,

    Karoka nalevim-belona manalavitra fisiana efa fay

    Fiafiana nanafaka ny galabon'ny nofy mamaivay!

    Dia mbola mitohy ny ala safay?

    Angamba,

    raha tsy hoe hifoha amin'izay bem'andry !!!

     

    RafHon in "Mand' inika" 05.02.14
    « Hanoratra eto amin'ny Instant MalagasyDihy, mifono hevitra lalina »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :