• Avy ao am-poko

    Ireo randran-drandran-teny
    Navoinako teny ho eny
    Nampiarahiko tsipelina
    Tsy nisy iray nielina

    Nolaroina ainga ombam-panahy
    Nofaingoina ireo tsiahy
    Narafitra ho fehezana
    Ka ilay rima no tetezana

    Kalokalom-pitiavana
    Fahalavoana, finiavana
    Narangotra ho diam-penina
    Arafitra ho tsara tenona

    Io ilay tena avy ao am-po
    Tsy ho lefy tsy ho lo
    Miboiboika toa loharano
    Mibosesika tsy omby trano

     

    Haja Andriamahazonoro

    « Mamangy amin’ny fitiavanaSarika »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :