• Ao anatiko ao ihany

    Tsy voalazako amin'ny sary
    'reo tebiteby nampandreraka ;
    Tsy voadikako raha mba zary
    Ao anatiko ao tanteraka.


    Tsy voalazako amin'ny hira
    'reo efa sedra nandalovana ;
    Tsy mba haiko, na tsy arira
    Fa ao am-po torandrovana.

    Tsy voalazako amin'ny teny
    Ny ranomaso tsy hay ambara ;
    Tsy voaborako eto ombieny
    Fa ao anaty hatrany am-para !

    Tsy voalazako amin'ny soratra
    'zay alahelo mafy indrindra ;
    Tsy voavoakako amin'ny ohatra
    Fa ao am-po ary tsy mirindra.

    Fredy JAOFERA

    « NY SAMBOIZA ? »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :