• Antso Fanahi-ana

    Rano raraka
    ranon'ivy
    ranon-tsakay
    ranon'afero
    Sotroy ny mangidy
    isasao ny maloto
    raha velon'halatra
    sy mbola isoloky.

    Tsy remby io ka iadivana
    tsy akotry hokororohana
    tsy zadiana ka haloto
    tsy rano namaky farihy io
    ka iantsoana vahoaka hanao fefiloha
    tsy lamba rovi-dririnina
    ka mampikiaka ny mpitafy azy,
    tsy tseroka tsy afa-tsavony
    ka zary dridra itafian-kenatra.


    fa teny very
    teny misy maka
    teny misy mangalatra
    hiantso vonjeo ao am-pon'ny fahanginana
    hitolona kely angovo
    mibitabitaka ao an-tsaina
    marary fon-dray
    marary fon-dreny
    fa misy mangalatra ny sora-jadiana
    misy misoloko ny sora-kaliana.

    Ny Ampinga
    08 10 2013

    « Ny RandranaAndra-pamoizam-panahy »