• Andeha hotiaviko ianao...

    Azafady ry fitiavana,

    maika ve ny dianao

    Mijanona re rahavana

    sao dia hanenanao...

     

    KANEFA,"Andeha hotiaviko ianao..."

    Ny fitia ve manan-tsaina

    sa ny fo no solosaina?

    Raha adin-tsaina, ferin'aina:Moa Hahita tantaraina?

     

    Raha maina ny antenaina:Mbola hanan-kolazaina?

    Ny hany fantatro dia izao : "Aiza re ny fitiavako anao..."

    Ny faladia ve no mitia sa ny fo no manan-tongotra?

    Raha fitia handia tongotra moa fitia mora miongotra?

    Raha maika izany dia;ny fitia ve mba hirongotra?(ref hirongo-tantely)

     

    Ny hany fantatro dia izao : "Andeha hotiaviko ianao..."

    Ny fitia ve milomano sa ny fo no sambon-drano?

    Raha tojo safo-drano;Isika ve ho kamokamo?

    Raha fitia efa mamo,Hatafita soa an-trano?

     

    Ny hany fantatro dia izao : "Andeha hotiaviko ianao..."

    Ny fitia ve no manidina sa ny fo no vin'angidina*?

    Raha minia ny indray mandingana;

    Ho hisy sahy haningana?

     

    Raha fitia efa ringana,

    Isika roa ve hisingana?

    Ny hany fantantro dia izao : "ho aiza ny fitiavako anao..."

    Ka aza mierika eeee....

    ry fitiavako Mandehana dieny izao....

     

    G'ahSy

    [07-01-14]

     

    *angidimby = helico

    « Haja RandriamahazonoroMA..TY »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :