• Akoako akorandrika

    Indramo ny lalana mizotra makany amin’ny fitsihifam-panahy

    Dia izay toroka miteli-teny no sisa hosivanina

    Fa ‘reo vavany tsy maty te ho ringana

    Hisaona eo atsimon-tsaroana ny nofo rehetra

    Nangidihidy ranon-teny fonizany…

    Atolotro am-bava-Alakaosy ny silan-taolana

    Tsy voakikin’ny fiainana…

    Ampisedraina ny tandrok’Adaoro ny andro hariva

    n’ireo namadika tsiambarambara…

    Fa ny teny nindramiko tamin’ny Tompony

    Natsidiko teo antokonany no noroahiny mody maizim-bolana

    Hiantsoako fanahy amy ombiasy ny anaran’ireo

    Dia ho bedin’I Ray ho bedin’I Reny…

    ‘Zay nivadi-pitia tamin’ny tiana

    Ho rovi-kiraro lavi-dalana.

     

    Ny Ampinga

    15 05 14

    « TE... »