• Aingam-panahy Feon'ny Saina

    Aingam-panahy Feon'ny SainaResy lahatra ianao fa kanto ny asa soratr'i Aingam-panahy Feon'ny Saina?  

    Fantaro àry hoe iza moa izany andriambavilanitra manan-talenta izany. 

    Raharimalala Rodalson Jenny alias Aingam-panahy monina any Tsiroanomandidy; 28 taona , manambady ary manan-janaka iray.

    Ny fitiavany ny zava-kanto vita amin'ny teny? Hoy izy hoe: "Tia sy mandala ny haisoratra ary maniry ny mba hivelatra bebe kokoa amin'izany talenta izany ! "

    Raha te hitafatafa amin'i Aingam-panahy ary ianao dia ity ny adiresy facebook-ny: Aingam-panahy Feon'ny Saina

     

    « Sedram-pitiaEMBONA LAVI-MALALA »

  • Commentaires

    1
    Jeudi 28 Novembre 2013 à 21:36
    RAHA TSY NISY





    Raha tsy nisy moa ianao,
    tsy nitsiky itony tavako
    fa rediredy izay nihavao
    sy tsy nisy ny fitiavako.



    Raha tsy nisy moa ianao,
    tsy nihiratra ny androko,
    ny hakiviana ho tsy tsaho
    sy hafa ny masoandroko.



    Raha tsy nisy moa ianao,
    tsy tonga izay fiadanana
    fa ho hetaheta mora lao
    ny tigetra efa notanana !



    Raha tsy nisy moa ianao,
    ny fo ravo ho nofy ihany,
    ny ahiahy tsy ho nandao,
    nisy foana ireo tomany !





    Fredy JAOFERA
    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :