• Oui, belles elles étaient, ses chaleurs me caressaient le cœur, ses couleurs éblouies mes yeux au point de les mouiller de larme…

    Oui, des jolies à chercher, cassées sous les ailes de la vastitude, elles sont passé taciturnement en lisse sur mon corps, et glissent à tord sans cesse…

    Oui, fussent-elles des lames, qui éreintent mes plaies, enfouis dans l’étang du plaisir, je me cherche encore à m’avoir du mal et des maux…

    Oui, partiront-elles, caresser des nouvelles fleurs, conquérir les bouts de ceux qui sont aujourd’hui mes heureux inconnus…

    Ny Ampinga

     


  • vonjy maika

    mila vonjy aho

    fa ianao toa tsy maika

    vonjy taitra

    ianao tsy taitra

    ho lany ambaitra(…)

    riam-panahy

    mitondra loharano

    am-baravaran-tsaina

    higoafanao

    ny fifaliana am-pelatanako

    no nihazakazahako toy izao(…)

    f’ianao tsy taitra

    izaho no miaky

    fa hay taraiky

    folaka iny iky

    fo laka natsipy

    fo nolokaina fahiny(…)

    Nofinari-bava an-tsasa-dalana

    Ho zotra iaraha-mandia

    Ny lala-madisa-pitia

    Kanjo

    Singatsingam-panahy tsy mety mitambatra

    No noterem-pilàna maimaika

    Noravaim-pisainana vetivety, dia tapitra(…)

    F’ianao taitra

    Taitra dia lasa

    Nofohazim-pahalebiazana

    Any antsopotry ny fitia

    Ianao izao manjaka

    Tsy mizara ho ahy(…)

     

    Ny Ampinga

    febroary -14


  • Raha ny hanadino anao

    Ilay hany vahaolana

    Dia hangina ihany

     Ireto masonao

     

    Raha ity foko resinao,

    Hikiry,

     Hitolona ao anatiko

    Dia ity fisiako mihitsy

    No aloka sy avelo

     

    Raha toa faniriana

    Ilay hiara-dàlana

    Dia hioko mafy

    Izao tontolo izao

    Hiezaka hametraka

    Sampana-mahasarika

    Hanintona ny teny

    Mba hivily làlana

     

    Raha handresy ihany,

    Avelao ,

    Ho efa rotidrotika

    Dia hangorohoro

    Manahy hanolo-tànana

     Ity nofy efa voaratra

    Matahotra ny hijoro

     

    Raha toa ka efa lahatra

    Voasoratra ho lalaovina

    Ity tantarantsika

    Dia minoa ianao

    Fa hisy fiafarany

     

    Raha sendra hifandray

    Na hijanona ho sampanana

    Dia tsarovy hatrany

    Hoe daty efa nitoetra,

    Raha mbola tsy hary akory

    Izay hita maso,

    Ilay fotoana vitsy

    Nitantana ahy ho eo

    Hanompy maso anao

     

    Noé 13/09/06

     


    votre commentaire
  • Raha mba hitoetra izay rehetra izay

    Ho tantara ihany sy ho rakitry ny lasa

    Mbola hangina koa ireo antso faha izay

    Ho tsiaro sisa raha toa ka tsy ho voafafa

     

    Ireo fotoana rehetra no ho voatanisa

    Hijoro manoloana sy hiatrika ny misy

    Hanaloka ireo teny satria hangina sisa

    Tsy mba hiara-dalana saingy tsy hidify

     

    Ho karakaina koa ireo teny kanto indrindra

    Ringitry taona ilay raozy feno sento

    Sina tsy hiteny rehefa tsy voarindra

    Fa dia hangina sisa ity sasatra nitempo

     

    Hilofika tanteraka izay niandry nanantena

     Nangasy irery teo fa nisy lalan-kafa

    Niandrandra ilay voalahatra ndrao mbola hifanena

    Ireo efitra voafefy tsy ahafahana mitafa

    Fa dia hangina sisa…….

     

    Noé 27/07/06


    votre commentaire
  • Ho anao no anoratako izao izao taratasy izao,

    Hafatra ampitaiko an-tsoratra sy vetso

    Embona mikiry, mihiaka ,mitalaho

    Tantara mitambolona mamongatra ny sento

     

    Fantatrao ?

    Tiako ny miaina ireo lasa nolalovana

    Mamy saingy izao…,

    Mangirifiry ihany ny ratram-pahatsiarovana

     

    Raha izay moa,raha izay ,hono, ka voadingana ny omaly

    Dia izao anio izao ho nofy ihany angamba ?

    Fa angaha tokoa tsy nisy mba nifaly e ?

    No injao anio ka hoe hikopa-damba !

     

    Asa !!! Fa hatreto aloha ,tokana ny teniko

    Tsy nenina tsy akory ireo tanjona kinasa fa…,

     Ampoka tanteraka,tofoka aho ,tsy afeniko

     

    Apetrako ho veloma, fijery indray mitopy

    Maso mitantara ireo fo niray fitempo

    Raha ny ho mandrakizay no voady sy ny toky

    Ilay teny hoe tia anao,aoka ho faranako eto

     

    Noé 11/02/2014


    votre commentaire



    Suivre le flux RSS des articles
    Suivre le flux RSS des commentaires