• Salanitra ry andriambavy nanaitra ny jerin'ny foko,

    Tsy nitoloko fa talaky, toa taraiky aminao ny fitepoko,

     Ka maniry ny mba hizara, ilay bitsiko ao anaty

    Hampitaiko aminao, hokaloiko ankehitriny izao!

    Toa zary ravaky ny nofiko ilay fisianao,

     

    Mampiakatra ny aingako ny fahitana anao,

    Ny tsikinao baliaka arahin'endrika sariaka,

    Fenoinao kanto arahim-peo milanto!

    Henika aho miaina ny fisianao lafatra,

     

    Ka miakatra tsy tana ilay tsapako mampafana

    Faniriako ny hiantso anao hoe tiana,

    Fikasako ny hikalo anao hoe malala,

    Mety hataonao hoe rediredy izato toloko,

     

    Raha hanolotra anao fitia tokan-doko.

    Tsy sanatria aho aviavy tsy miera,

    Na koa misongadina te ho madera,

    Ampanetren-tena no hilazako anao,

     

    Fa ny foko efa ela no te ho lasanao

    Hiaina ho anao ka hanorina tantara,

    Hanandratra anao ry safidy sy anjara,

    Tsy hanome toky fitaka sanatria,

     

    Fa hampiaina am-pahatsorana fitia ho doria!

    Raiso ry andrianin'ny foko, izato angolany,

     Ampandrosoy ao am-ponao ka hamokatra,

    Hanokatra ny tontolon'ny hasambarana,

    Anio sy rahatrizay tsy misy fiafarana!

     

    RafHon 

    « RARAKA'NDAO HIARA- HIENTANA E! »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :